Quinoa au poulet pané et epinards

608

Quinoa au poulet pané et epinards

Ny quinoa: maro amintsika no tsy mahalala azy satria voamaina maniry any amin'ny tany arabo izy ity

Zavatra ilaina:

- fatra 50grs isan'olona.
- bouillon de légumes ( izay legioma tiana rehetra no ampiasainafa azo atao bouillon hena na trondro ihany koa)

Fikarakarana azy: 

Manao "bouillon" amin'ny rano anaty vilany, teto dia ny légumes voatetika madinika no nampiasaiko mba hatsiro kokoa, rehefa masaka ny legioma na nahazo tsiro tsara ny "bouillon" dia notsihifiko ny legioma ka natokako, narotsako tao amin'ilay "bouillon" ny quinoa toy ny mahandro vary. (afaka atao koa ny mahandro azy amin'ny micro onde ka 10 minitra eo ho eo na mahery kely) ary atao mihoatra avo 2 heny amin'ny quinoa ny fatran'ny rano aza hadino ny manisy sirakely raha legioma no ampiasainao, somary tsihifo raha be loatra ny rano, ary tapohy kosa raha mafy loatra ny quinoa araky ny fahamahasahana tadiavinao.
Nampiasa épinard kely voahendy aho nampiarahiko taminy (tena tsara miaraka saingy tsy voatery)
Arosoy anaty lovia miaraka amin'ny ilay legioma natokana sy izay tianao ampiarahina aminy (marihiko fa raha ny tena izy dia tsisy hena aza dia mahavoky izy ity, ary afaka ovaovaina ihany koa ny hena ampiarahina aminy, toy ny boulettes, brochettes sns..)

Eto dia "poulet pané au graines de sésames" no nampiarahana amin'ny quinoa

Poulet pané au graines de sésames

Zavatra ilaina: 

Nofon'akoho
Kotomila 
Thym maina 
sira
Potimofo (chapelure)
menaka 
graines de sesames

Fikarakarana azy : 

Fisahina manify ny nofon.akoho, asiana sira sy hanitra izay tiana: kotomila sy thym maina no nampiasaiko (afaka atao ko ny mampiasa saosy soja) 
Rarahina chapelure ho vonto tsara ary arahina "graines de sésames" izay tsy voatery.
Hafanao ny menaka ain'ny lapoaly, tsy atao betsaka fa atao toy ny hanendy atody voakapoka,
rehefa mafana dia alaharo tsirairay hivelatra tsara ilay nofon'akoho, ka rehefa masaka ny ilany vao avadika. 

Naroso miaraka amin'ny quinoa sy ny epinara ary legioma kely 

Mazotoa homana

Nahandron'i NyÉko Soké Zita 

 

Catégorie: