Rambon'omby sy saosy voanjo

813

LAOKA SAOSY : RAMBON'OMBY SY SAOSY VOANJO

ZAVATRA ILAINA:

rambon'omby 1kg
voanjo voatoto  2 sotro (boaty)
tongolo be 3
voatabia 1
sira
menaka oliva kely 

FIKARAKARANA AZY:

Sasana ny rambon'omby efa voatetika dia arotsaka ao anaty vilany amin’ny ranontsasany , rehefa ritra dia ampiana rano mandifotra azy mba ho masaka.
rehefa ritra io rano io ka malemy dia asiana menaka kely dia arotsaka ny voatabia sy ny tongolo voatetika ary asiana sira avela ho masaka kely
arotsaka ny voanjo voatoto 2 sotro dia avela hifandray ny tsiro ary asiana rano iray vera farany dia avela hiketrika  25 minitra vao esorina ambony afo.

Naroso niaraka tamin'ny coucous :(mba miova amin'ny vary sy lasary)

mampangotraka rano, dia atao anaty bol ny "couscous" azo asiana sira kely, tondrahana ranomangotraka manafotra azy mihoatra kely 0.5sm eo. haroina amin'ny "fourchette" mba tsy hivaingambainga, Saromana dia avela 5 - 8 minitra eo. Trohan'ilay "couscous" ny rano, dia mitombo izy dia azo aroso ary norarahana tongolo maintso voatetika.

 

 

NB: ilaina io 25 minitra io raha vao manao sakafo misy voanjo fa manjary mety mankarary kibo

Mazotoa o 

 

Catégorie: