Ravitoto sy henakisoa

Portrait de Angie
1086

RAVITOTO SY HENAKISOA

na dia efa mahay mahandro avokoa aza ny malagasy dia misy foana ny tanora vao mba hanomboka hanokona dia mba zaraina ihany ity sao mahasoa

ZAVATRA ILAINA

Ravi-mangahazo na ravitoto 250g
henakisoa 500g (somary matavy)
tongolo gasy hasiny 5
rano 750ml
sira izay tiana
siramamy kely

FIKARAKARANA AZY :

tetehina ny hena rehefa avy nodiovina tsara ary andrahoina amin’ny rano 250ml, atao ritra tsara (tsy misy rano mihitsy).
Kikisana na totoina ny tongologasy, arotsaka ao lay tongologasy rehefa ritra tsara ilay hena. asiana rano kely fotsiny 3 sotro fihinana, ary atao malefaka tena malefaka ny afo mba hidiran'ny tsiro tongologasy any anaty hena mandritra 20minitra amin’ny afo malefaka, ny tanjona moa dia hampivoaka ilay menaka kisoa izay hita fa mitsonika mivoaka ny tavin'ilay kisoa (ary dia azo esorina dia asiana menaka oliva raha tiana). Mandritra izay dia sasaina ny ravimangahazo (raha mbola tsy viatoto no ananao) “mixé- na” na totoina ny ravimangahazo raha ilay raviny ka asiana rano 500ml eo,  
Raha efa vonona ny ravitoto dia arotsaka ao anaty hena efa mivoaka menaka iny dia asiana sira sahaza sy siramamy kely ary arotsaka ilay ambina rano dia atao mahery ny afo.
Rehefa hita fa efa kelikely sisa ny rano dia atao malefaka indray ny afo mba tsy ho may dia avela ho ritra tsara amin'izay.

FANAMARIHANA:

Ny siramamy dia manome tsiro tsara kokoa  fa sady mavesatra mantsy ny ravitoto ka indraindray misy olona tsy mahazaka dia tsara asiana io.

Aleo mampiasa tongologasy amin'ilay izy, raha kisoa nohalebiazina amin'ny provende ka somary mahery fofona.
 

Mazotoa mampihatra daholo ary ny tanora vao hanandrana ary aza adino ny mizara a.

Nahandro sy sarin'i Beby Lalaina - 10.12.17

Ingrédients: 
Catégorie: