Rhum arrangé aux cérises

1013

ZAVA-PISOTRO : RHUM ARRANGé AUX CERISES - "Ciliegie sotto grappa" hoy ny italiana

ZAVATR A ILAINA:
fatra ho an’ny cerises 1kg ity fa azo ovaina araka izay tiana.

cerises 1 kg
siramamy mena 150g
alikaola à 900°
girofle 3 na koa lavanila 1 na kanelina 1,
(azo ovaina araka ny isan’ny bocal)

FIKARAKARANA AZY:

Ilay cerises lehibe tsara, be nofony sy mbola henjana tsara no ilaina, Sasana dia esorina ny tahony ary hamainina tsara amin’ny lamba madio.
Ampangotrahana ny bocal ho asiana azy
Atao anaty bocal tsirairay ny cerises dia asiana girofle na lavanila (didiana roa amin’ny halavany) na koa kanelina ary siramamy.
Fenoina alikaola hatreny amin’ny vavany dia saromana ary avela hipetra 2 volana amin’ny toerana maizina ary tsy mafana no tsy mangatsiaka be koa, alohan’ny hihinana azy. (ny anay ao anaty armoire lakozia ihany fa atao ery ariana be mba tsy ho azon’ny mazava)
Ho hita eo ny vokatra afaka roa volana.

Mazotoa 

Catégorie: