Risotto à la crème de poivron

778

Risotto à la crème de poivron – Risotto alla crema di peperoni

Zavatra ilaina: ho an’olona 3 na 4

Ho an’ny lakirema:
sakaibe 3 (1 isan’olona)
tongolo be 1
menaka oliva
sira sy dipoavatra
“crème liquide” (kely ihany fa tsy nisy fatrany)

Ho an’ny risotto:
vary  ilay somary botabota no fanaovana azy, ary 80g isan’olona
dibera kely
Fromazy parmesan
bouillon
Basilika na persily na kotomila

FIKARAKARANA AZY:

- Esorina ny hoditry ny sakaibe satria sarotra levonina indrindra ho an’ny ankizy , dia tetehina madinika.(jereo eto fomba fanalana izany)
- Atao anaty lapoaly na vilany ny menaka dia endasindasina ny tongole be voatetika madinika ary arotsaka ao ny sakaibe (azo asiana sakay kely raha tiana), avela ho masaka amin’ny afo malefaka 10 minitra eo.
- Rehefa vita dia totohina amin’ny “robot” miaraka amin’ny “crème liquide”, sira ary dipoavatra kely ( eto dia lasa manome ny lakrema izay azo hohanina amin'ny mofo na paty)
-Arotsaka anaty vilany ny lakrema dia arotsaka ny vary ary tondrahana tsikelikely “bouillon” na koa rano mangotraka dia haroina matetika, toy izay foana mandrapaha masaka ny vary.
-Rehefa masaka ny risotto miala ambony afo vao asiana fromazy parmesan voakiky, dipoavatra kely ary persily na izay zava-maintso tiana.
Ny ahy asiako menaka oliva kely ihany koa.

Mazotoa o

 

Catégorie: