Rouget frit

538

TRONDRO ENDASINA - ROUGET FRIT

ZAVATRA ILAINA:

- Rouget na izay trondro tiana
- lafarina 
- menaka fanendasana tsara kokoa na oliva na "arachide"
-sira

FIKARAKARANA:

- Sasana ny trondro esorina ny tsinainy sy kirany dia hamainina tsara hiala ny rano
- Maka "sachet dia asiana lafarina sy sira ary arotsaka ao ny trondro ka ny tanana iray mitazona ny vavan'ilay "sachet" mba hikaton, ny tanana iray kosa manotsakotsana azy mba hiparitaka sy hifangaro tsara ny lafarina sy trondro, 
- Afanaina atao mafana ny menaka mandifotra azy, tsy atao afo be loatra, raha tsy manana fijerena maripana sakafo dia azo alaina ny sotrobe hazo ary ampidirina ao anaty menaka raha misy "boule" manodidina dia mafana izy izay,
- Endasina ny trondro atao tsikelikely mba tsy ho mora misy mandroatra ny menatra ary mba tsy hidina loatra ny hafanana 
- Rehefa masaka dia apetraka amin'ny taratasy na "essuit tout" mba hitsika ny menaka 
Aroso miaraka amin'ny voasary makirana raha tiana 
Mazotoa o 
 

Catégorie: