By Andry Rakotomavo
Roulé de viande surprise
Roulé d'oeuf dur
Zavatra ilaina:
totokena 500g, atody 4, kotomila, persil, tongolo gasy, fécule, sira.
Fanaovana azy:
afangaro ny totokena, ny kotomila sy persil voatetika, ary ny tongolo gasy voatoto, asiana sira.
Arotsaka ny atody iray, afangaro tsara, avy eo asina fécule kely dia afangaro tsara.
Ny atody 3 kosa dia atao oeufs durs (atao anaty rano mangatsiaka ka rehefa mangotraka dia jerena ho 8 minitra ary ajanona)
Velarina ny papier film alimentaire dia atao eo amboniny ny totokena, somary atao manify, apetraka eo amboniny ireo 3 oeufs durs. Dia apetraka avy eo ny ambina totokena.
Ahorina amin'zay ilay papier film dia fatorana tsara ny tendrony roa.
Masahana amin'entona, rehefa masaka dia sokafana ilay fonony
Ary farany dia endasina amin'ny menaka ao anaty lapoaly hahazo loko.
Matsiro fa dia mazotoa o
de Aina Rafalimanana
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire