Rouleau de jambon

1106

TSAKITSAKY: ROULEAU DE JAMBON

ZAVATRA ILAINA

- "pâte feuilletée" efa vita
- Jambon
- fromazy voakiky
- tamenakatody na ronono (dorure)

FIKARAKARANA AZY:

- Rehefa vonona ny paty dia velarina ary rahahana fromazy voakiky sy Jambon (azo soloina mortadelle, blanc de poulet sns), atao rouleau: ahorona toy ny tsihy ary hidina tsara amin'ny "film alimentaire" dia atao anaty vata fampangatsiahana ora iray raha manana na amin'ny toerana mangatsiatsiaka.

- Afanaina ny lafaoro 180°C
- Avoaka avy ao anaty vata fampangatsiahana ny paty dia tetehana boribory manana hatevenana 2 sm ary alahatra amin'ny lasitra nasiana "papier cuisson" ary asiana elanelany tsara fa satria mitombo, atao "dorure": lalorina tamenakatody voakapoka na ronono eo ambony mba hahamena tsara azy
180°C ihany mandritry ny 15minitra dia vita 

Fanamarihana:  Tsindrio fanamboarana ny "pate feuilletée"  vita an-trano raha tsy hampiasa ilay efa vita.

Mazotoa o !

Nahandron'i Andry Mamina 13.01.18