Sakaibe

774

Ny sakaibe na “poivron” na “peperoni” kosa hoy ny italiana.

Anisan’ny be otrikaina “vitamines ” ny sakaibe ary kely “calories” ka tena mety amin’ny fahasamana, azo hohanina amin’ny fomba maro na manta na masaka
Rehefa mafana no tena fotoanany na dia misy foana aza izy mandavan-taona dia tsara kokoa mihinana legioma sy voankazo amin’ny fotoana fiakarany ny hafa mantsy dia efa tsy natoraly mihitsy fa na nafarana avy any ivelany na kosa nofenoina zezika sy ity fomba rehetra mahavokatra haingana ity
ka ho anay dia mitahiry anaty “congelateur” mba hohanina mandritry ny hatsiaka ihany koa
Ity ary misy fomba fikarakarana azy  ary fitehirizana azy

Mila esorina ny hoditry ny sakaibe mba ho mora levonina
Misy fomba 3 afaka hanaovana izany ka mila sasana madio tsara ary hamainina aloha vao atao ny iray amin’ireto:

- atao anaty lafaoro farany mamay indrindra 20 minitra eo, avadibadika ary vao vita dia atao anaty “sachet cuisson” avela mangatsiatsiaka dia esorina moramora ny hodiny sy ny voany

- atono ambony fanantonoan-kena dia avadibadika rehefa lasa mainty tsara dia esorina, ary vao vita dia atao anaty “sachet cuisson” avela mangatsiatsiaka dia esorina moramora ny hodiny sy ny voany.

- azo atao koa manao azy ao anaty rano mangotraka misy vinaingitra eo amin’ny 5 minitra eo dia atao anaty  “sachet cuisson” avela mangatsiatsiaka dia esorina moramora ny hodiny sy ny voany.

Rehefa vita ny iray amin’ireo dia mitovy ny vokatra azo: sakaibe tsy misy hodiny

Afaka andrahoina amin’izay fomba hitiavana azy izy io :
atao salady,
atao saosy ho lasa lakirema afangaro amin’ny paty na vary na koa hahosotra mofo,
azo alona anaty menaka dia atao anaty bocale,
azo atao anaty vinaigre ihany koa dia anaty bocale ,
ary azo atao anaty  “sachet congelo”dia mazava ho azy anaty “congelateur” ary avoaka fotsiny rehefa te hihinana.

Mazotoa ary o
Araho ny sary 
 

Catégorie: