Salade de boeuf

436
  • Nahandro N° 4 : SALADE DE BOEUF

  • Spécialités thaïlandais et chinoise izy ity, sady tsakitsaky no fomba iray hinanana vary

    ILAINA :

    hena-omby 500g
    jumbo viande 1
    concombre 1
    sakamalaho 1 sotrokely
    tongologasy 1 sotrokely
    voasary makirana 1
    siramamy 1 sotrokely
    aosy trondro (sauce poisson) 2 sotrobe fandoharana
    kotomila 50g « choux chinois » 1
    marihako eto fa tsy mila sira na kely aza.

    FIKARAKARANA :

    - Tetehana madinika kilavalava ny hena, avy eo endasina tsy avela hikarepoka
    - vita izay, dia ampangotrahana miaraka amin'ny jumbo iray ny hena mba halemy ( tsy avela miparitaka ny hena, fa rehefa fantatra fa malemy @ itiavana azy dia vita). Tapohana tsikelikely ny rano hanamasahana azy.
    - kikisana madinika ny « concombre » , tetehana ny kotomila, totoina ny sakamalaho sy ny tongolo gasy
    - vita izay, dia maka lovia baolina kely hampifangaroana ny saosy ka alefa ao : ny saosy trondro, ranomboasary makirana, sakamalaho, siramamy ary tongolo gasy, afangaro miaraka dia alefa ao koa ny kotomila.vita.
    - Farany afangaro miaraka izy rehetra toy ny hitantsika eo @ sary dia mazotoa homana. Ny sary ihany koa dia manazava ny fomba fihinana azy sy ny fanaingoana madinidinika, ilay mena kely ireo dia sakay ho an'izay mpankafy, tena nahagaga ahy fa mampody aina be io sakafo io.

     Nahandron'i Prisca Randriharimalala

     

     

  •  

     

  •