salade de fenouil

Portrait de Angie
144

SALADE DE FENOUIL 

Vao tazanina toa voninkazo,
Raha tomorina dia zavatra hafa,
Holazaiko anao fa mora azo,
Tsy inona io fa fangaro samihafa !

Fenouil sy tongolo maitso no @ sisiny indrindra
Avy eo manaraka ny atody sy cervelas,
Halamina tsara ireo mba hirindra
@ izay ny endriny tsy ho mena-mitah !

Avy eo indray hasiana carotte râpée
Sy fromage de chèvre voatapatapaka,
Ny ivony tomate cerise tena mena be,
Asiana sauce vinaigrette dia azo harapaka !!!

Izay no izy fa mazotoa homana !
Ampiana mofo dia voky ny ankohonana 

 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: