Salade de fruits

120

SALADE DE FRUITS

Vokatra ve ny voankazo ?

Ampiasao f’aza avela halazo !

Mananasy, litchis, manga?

Ataovy daholo izay mitranga !

Fraise, pomme, poire?

Ampiaraho ao koa fa tena tsara !

Akondro, garana, voanatsindrana?

Ananan-tsika ireo fa tsy mila mindrana !

Aza hadino ny ranom-boasarimakirana,

Ny siramamy koa tsy azo hidivirana !

Rehefa voatapatapaka izy rehetra,

Dia ampiaraho ao anaty koveta,

Rehefa mifangaro tsara,

Dia lasa amin’izay ianao mitsinjara,

Manao azy ao anaty coupe ;

Dia asio biscuits cigarettes mba tsy hitsilopy !

Jereo ange izato hatsarany?

Ho rara-kivy eo ianao amin’ny farany.

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: