Salade de pomme de terre aux radis et poisson

692

FANOKAFAM-BAVONY : salady miaraka amin'ny ovy sy trondro ary radis 
SALADE DE POMME DE TERRE AUX RADIS ET POISSON 

Zavatra ilaina

hoan'olona 8: 
ovy 1kg, 
nofo trondro 250g, 
fromage blanc 1, 
radis 1 fehezana, 
tongolo maitso, 
voasary makirana 2, 
tongolo gasy, 
haingony (salady, voatabia, atody)

Fikarakarana:

Rehefa voadio ny ovy dia tetehina ho efamira kely 
ampangotrahina amin'ny ranon-tsira, ampangotrahina toy izay koa ny trondro rehefa voadio, 
raper na ny radis, tetehina madinika ny tongolo maitso, 
kapohina hifangaro tsara ny totona tongolo gasy sy ny fromage blanc ary ny ranona voasary makirana.
Afangaro daholo avy eo ny ovy sy nofo-trondro, ny radis ary ny fangarona fromage blanc, tsy adino ny sira
Haingony: tetehina madinika ny salady, tetehina atao en lamelle ny voatabia, atao oeuf dur ny atody
Apetraka manodidina ny lovia ny salady, apetraka eo afovoany amin'ny alalan'ny emporte piece ny salade ovy ary asiana didina oeuf dur eo ambony haingoina didina radis efa nolomana vinaigrette mialoha,apetraka ny didina voatabia
Mazotoa homana

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: