Salady anana

656

 

Salade anana

ho an ireo makafy crudité ohatra ahy ,rehefa tsy mahita salady sy karoty dia azo atao salady tsara daholo ny anana 

Zavatra ilaina: 
-anana chou de chine
-persila
-voatabia
- tongolo be
- voasary makirana,
- menaka oliva 
-sira

Fikarakarana:

Sasana madio tsara dia tetehana maventy ny anana;
Tetehana koa ny voatabia sy persila ary ny tongolo be  
Manao saosy "vinaigrette" : voasary makirana,  menaka oliva ary sira dia ahotsana tsara
Afangaro tsara daholo dia vita.

 

Mazotoa o 
Nahandron'i Sandyvon Anjaranantenaina

 

 

Catégorie: