Salady harikovera sy katsaka

Portrait de Angie
1146

Salady harikovera sy katsaka (Salade haricot vert et mais doux)

Miarahaba o

rehefa mba te hiovaova sakafo na salady dia afaka manao salady legioma tsotra sady mora

Zavatra ilaina:

- harikovera (haricot vert )

- katsaka (amin'ny boaty eto)

-voatabia

- voan'ny tanamasoandro (graines de tournesol)

- tongolobe mena

- sira,

- dipoavatra raha tiana

- ranomboasary makirana na "vinaigre de cidre"

- menaka oliva

 

Fikarakarana azy:

- Mampangotraka rano misy sira dia arotsaka ny harikovera . Rehefa miverina mangotraka ny rano dia 7 na 8 minitra eo dia masaka ary tatavanina, tsy atao boledaka mantsy.

- Tetehana fisaka ny tongolobe dia alona sira sy ranomboasary makirana ary menaka oliva , asiana dipoavatra kely raha tiana.

- tetehana ny voatabia, tatavanina dia somary sasana kely ny katsaka 

- Rehefa mangatsiaka ny harikovera dia afangaro daholo arotsaka farany ny voan'ny tanamasoandro .

 

Fanamarihana :

azo asiana : atody masaka , thon na sardine, na fromazy , "noix", voaloboka maina sns

Mazotoa daholo

Ingrédients: 
Catégorie: