Salady nofon'akoho

737

FANOKAFAM-BAVONY : NOFON'AKOHO ATAO SALADY (salade de blanc de poulet) 

Zavatra ilaina :
Nofon-damosin'akoho (Blanc de poulet)
Sakaibe (Poivron)
tongolo
Mayonnaise
Moutarde
Vinaingitra sy menaka
sira sy dipoavatra

Fikarakarana azy :

- andrahoina ho masaka amin'ny rano nasian-tsira sy dipoavatra ny "blanc de poulet" 
- tetehana efamira somary lehibebe avy eo. 
- manao vinaigrette , dia afangaro ao ny tongolo sy sakaibe, ny mayonaise sy moutarde mandrapahazoako ny tsiro itiavako azy fa tsy namatra aho. Dia vita.

Azo atao sakafo mahaleo tena izy, ka nampiarahako tamin'ny "pomme dauphinois" natao lafaoro ny ahy teto.
Mazotoa o 

nahandron'i Esther Vandroux

 

Catégorie: