Salady ovy sy thon

886

SAKAFO MAHALEO TENA : SALADY OVY SY TRONDRO “THON” - SALADE DE THON ET POMME DE TERRE – PATATE LESSE E TONNO 

Ny salady ovy sy thon dia azo hohanina amin’ny andro mafana nefa mety ihany koa na rehefa mangatsiaka aza. Tsotra kely ny manao azy sady azo karakaraina mialoha. Ny ovy andrahoina rahateo tsy matavy, ary ny “thon” afaka misafidy na ilay natoraly na ilay efa misy menaka oliva, raha manao regime moa dia ny menaka afangaro no tena mila hahena sy ny sira fa tsy hoe tsy mihinana akory

ZAVATRA ILAINA 

Ovy 500g 
thon amin’ny boaty 2 (na nature na misy menaka oliva)
menaka oliva (ny tsara indrindra dia menaka extra vergine d’olive antsoina hoe evo amin’ny italiana ) na izay tiana fa kosa ezahana ny tsy mampiasa menaka palme
Sira raha tiana fa raha efa misy ny thon dia mila mitandrina
Vinaingitra balsamika
Persila

FIKARAKARANA AZY 
Sasana tsara ny ovy dia andrahoina amin’ny rano mandifotra azy dia asiana sira, voasana rehefa masaka dia tetehina araka izay habeany tiany ary atokana anaty bol lehibe 
Arotsaka ny “thon” efa notsihifina tsara ny rano na ny menaka izay nisy azy tao anaty boaty, asiana menaka oliva, vinaingitra balsamika dia afangaro tsara avokoa amin’ny sotrobe hazo. Farany tetehana madinika ny persila dia araraka, 
Azo aroso 

Fanamarihana

-Azo ampiana tongolo mena (tropea) na atody nandrahoina na koa haricovera izy ity raha tiana mba ho betsaka fangaro.
-Ho anay moa izany ny iray mihinana thon nature ny iray thon misy huile d’olive dia samy nanao ny azy teo ambilia ka ny ovy ny ambany avy eo ny thon 

Mazotoa oo

Catégorie: