By Andry Rakotomavo
Salady sofikisoa
Soumis par andry le ven, 02/24/2017 - 14:13
927
SALADY SOFIKISOA
ZAVATRA ILAINA
korzety
salady maintso
sakay
tongolo be
jirofo (girofle)
dità (thym)
Saosy vinaingitra: "vinaigre de Banyuls à l'estragon", "huile de noisette", sira, dipoavatra
Azo soloina izay menaka sy vinaingitra misy.
FIKARAKARÀNA AZY:
- Diovina tsara ny sofikisoa
- Ketrehana miaraka amin'ny tongolo lay, tongolon'i Egypta, dipoavatra mainty, jirofo, dità.
- Rehefa malemy nefa mikarepoka ireo sofiny dia tetehana manify
- Aharo amin'ny saosy vinaingitra sy tongolobe voatetika manify ary sakay voatetika (tsy voatery)
- Haingoana salady sy korizety nofisahana tamin'ny "mandoline"
Mazotoa o
Nahandron'i Lalao Razanamialy
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire