Salady tongon-kisoa

Portrait de Angie
662

FANOKAFAM-BAVONY na SAKAFO MAHALEO TENA : TONGO KISOA SAUCE VINAIGRETTE 
 

Zavatra ilaina : 

Tongo kisoa izay sahaza 
Poivron mena sy maintso 
Tongolo oignons 
Tongolo gasy 
Poivre 
Menaka olive 
Vinaigre na voasary makirana (vinaigre échalotes teto no nampiasaiko ) 
Sira 

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voadio tsara ny tongo kisoa dia zaraina roa. Avy eo zaraina roa manaraka ny halavany. 
2. Andrahona amin ny rano asina sira, tongolo gasy ary poivre. Tsy atao malemy be an
3. Rehefa masaka dia Avelao hangatsika eo 
4 rehefa voadio ny poivrons sy ny tongolo oignons dia tetehana lavalava dia lomana vinaigre na voasary makirana sy menaka olive. 
5. Rehefa mangatsika tsara ny tongokisoa dia afangaro tsara daholo ireo rehetra ireo. 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô 

Nahandron'i Soa Bonheur 
 

Catégorie: