Sambôsa akoho

874

SAMBOSA AKOHO - SAMBOS POULET 

ZAVATRA ILAINA: 

nofon'akoho masaka,
laisoa,
tongolo gasy sy ejipta
sakamalaho voatoto, 
dipoavatra sy sira
galam massala 1 tsongo,
tongolo maitso voatetika, 
spring rolls (fonosana efa vita)
 

FIKARAKARANA AZY: 

Afangaro avokoa ny sesika:
nofon'akoho masaka voatetika madinika, laisoa voatetika , tongolo gasy sy ejipta voatetika madinika ihany koa, ary sakamalaho voatoto.
Afangaro tsara daholo ireo rehetra ireo, ary asiana dipoavatra, sira ary galam massala 1 tsongo,
Arotsaka koa ny tongolo maitso voatetika, afangaro tsara  
Manao lakoly hitazomana ny fonony tsy hivoraka amin'ny lafarina kely sy rano afangaro tsara dia atao marihitra.
​Tetehina ny fonony izany hoe ny "spring rolls"  atao lavalava dia apetraka ny sesika, dia fonosina atao tokan-tsosona ary asiana ilay lakoly.
Saromana lamba lena kosa izay mbola tsy ampiasaina mba tsy ho maina.  
Endasina amin'ny menaka mamay mandifotra azy.
Apetraka ambony "sopalin" na taratasy hitsika tsara ny menaka
Vita sady mora masaka no mikarepoka. 

Mazotoa o 
Nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: