sambos au fromage

979

TSAKITSAKY : TELOZORO - SAMBOSA – SAMBOS AU FROMAGE

ZAVATRA ILAINA :

Paty vidiana vita (eto sinoa)
Fromazy isan-karazany izay tiana
Tapotsin’atody (raha atao anaty lafaoro)
Menaka 
 

FIKARAKARANA AZY:

Tetehina ny fromage tiana dia apetraka ambony paty izay efa nozaraina efatra ary navalona indroa amin'izay mikarepoka tsara rehefa mendy.

FAHANDRO AZY 
1. atono : eto dia natono nolalorina menaka ny sambos dia natono 
2. endasina : rehefa manendy azy dia tsy atao afo mahery fa kosa andrasana hafana ny menaka vao manomboka manendy. Avy eo tsihifina tsara hiala ny menaka vao aroso.
3- anaty lafaoro : hafanaina mialoha ny lafaoro 180°C - kapohina ny tamen’atody dia lalorina ny telozoro izay vao atao anay lafaoro- rehefa lasa menemena "doré" dia vita 

Fanamarihana:

Azo asiana fangaro ihany toy ny tongolo, sakamalao, carry, sns araka izay tiana
 

Mazotoa o

Nahandron'i Mary Lou Ranaivoarisoa

 

Catégorie: