Sambosa végétarien

646

SAKAFO ODY AM-BAVAFO: SAMBOS, SAMBOSA, SAMBOSSA 

Zavatra ilaina:

ovy 1/2 kg
tongolo gasy : hasiny 6
poireau : 100 ar.
tongolo be 
menaka anendasana azy
pate sambos 1 fonosana
sira,
lafarina kely 

Fikarakarana:

Rehefa masaka ny ovy ( efa novoasana io) asina sira, potseriny amin'ny sotro rovitra.
Tetehina madinika ny tongolo be, ny poireau efa voasasa, totoina ny tongolo gasy . Afangaro daholo ireo rehetra ireo.
Maka lafarina 2 sotro fihinanana asiana rano kely dia afangaro tsara atao marihitra fa atao lakoly anidiana ny sambos.
Rehefa vonona ny sesika dia atao ao anaty ny pate sambos, idiana amin'ny lakoly lafarina ny vavany mba tsy hivoaka ny sesika rehefa manendy azy.
Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ny sambos, rehefa mendy dia avadika ; toy izay koa ny ao ambadika, vita ny sambos .
Tsy nasiana hena mintsy fa mba manao vegetariens koa indraindray
Mazotoa homana ary e!!!! . 

Nahandron'i Hanta Laounah

 

Catégorie: