Sandwichs frits

Portrait de Angie
1043

TSAKITSAKY : FRICASSES (SANDWICHS FRITS) - sakafo tunisien

ZAVATRA ILAINA : ( mahavita 35 - 40 raha atao indraim-bava ny habeny fa ny ahy io lehibe dia 20 no vitany)

Lafarina 2 vera (na 400g)
atody 1
menak'oliva 1sotro sy 1/2
sira 1/2 sotrokely
siramamy 1/2 sotro fihinanana
rano matimaty 1/2 vera (na 100ml eo)
lalovay mofo (levure boulangère) 1sotro fihinanana
menaka hanendasana

Fangaro (izay tianao)
- Ny ahy eto jambon sy didin'atody masaka fotsiny
- ovy masaka voatetika boribory sy atody masaka voatetika boribory ary nofon-trondro (thon) sy oliva, harissa na mayonnaise,...
- na izay fangaro fanao anaty sandwich fa tsara raha fangaro tsy mandranoka be.

FIKARAKARANA AZY :
- Afangaro ny rano matimaty sy siramamy ary lalovay dia avela hitombo 15 minitra
- Alefa anay bol avy eo, dia arotsaka ny lafarina, ny atody, ny menak'oliva, afangaro, ary alefa farany ny sira.
- Volavolaina amin'izay 10 minitra eo. Omena endrika boribory dia apetraka amin'ny toerana mafana 1ora na mihoatra
- Polipolesina indray mba hialan'ny entona (gaz), zaraina 20 dia omena endrika lavalava (ovale), apetraka ambony lasitra nasiana papier sulfurisé, elanelanina tsara mba misy hitomboany. Saronana lamba dia avela hilona 20minitra indray.

- Afanaina ny menaka hanendasana ny mofo (raha mangatsiaka loatra dia mifoka menaka be ny mofo, moa raha mamay loatra dia ho manta aty ny mofo ka mila hay tsara ny mijery ny hafanana mety). Casserole kely no ampiasaina dia menaka tokony 2sm eo ny haavony, natao 3 isaky ny manendy, tsy atao be am-bilany manjary tsy mitombo tsara. Vita rehefa mivolombolamena.
- Atsika ambony taratasy mba hiala ny menaka.
- Rehefa matiamaty, dia zaraina 2 amin'ny halavany ny mofo (tsy didiana hatramin'ny farany), dia sesehana izay atiny tianao.

Azo atao amin'ny "buffet" izy ity.

Mazotoa o !

nahandro sy sarin'i Vero Randriam - 26/09/2016
 

Catégorie: