Saonjo sy trondro frity

632

SAONJO SY TRONDRO FRITY ARY HARICOT VERT VINAIGRETTE

ZAVATRA ILAINA:

saonjo,
trondro,
menaka hanendasana,
salady,
haricot vert,
vinaigrette :menaka sy voasary makirana ary sira
mayonnaise: atody sy menaka
sira

FIKARAKARANA:

Ny saonjo : rehefa voavaofy sy voadio ny saonjo dia tetehina lavalava, hamainina amin'ny lamba mba ho mora endasina,
Afanaina ny menaka dia endasina ho mena fify, atsika ny menaka dia asiana sira. 

Trondro: diovina ny trondro, asiana sira, endasina amin'ny menaka mafana

 Haricot vert: andrahoina amin'ny entona ny haricot vert dia asiana vinaigrette

Aroso miaraka amin'izay izy rehetra: salady, trondro, saonjo, haricot vert ary mayonnaise, tonga dia sakafo feno

Mazotoa homana daholo ary e!
Nahandron'i Aina Rakotoarisoa
 

Catégorie: