Saosisy sy anana

531

Specialité napolitain izy ity : "Salsicce e friarielli" no anarany ho antsika dia azo atao hoe saosisy sy anana (izay mahasolo azy tokony anana henjakenjana)
ZAVATRA ILAINA : 

saosisy izay tiana 
Friarelli na laingona brocolì izay ampy
1/2 verre divay fotsy 
Tongolo lay hasina 1
menaka oliva 
Sira 
Sakay izay tiana 

FIKARAKARANA: 
- Atao anaty lapoaly ny menaka oliva kely sy ny sakay ary ny tongolo gasy , atao afo malefaka mba haka tsiro tsara fa tsy ho may 
- Arotsaka ny anana efa voasasa sy voatetika lehibebe ary avela ho mendimendy ary arotsaka ny divay dia akarina ny afo mba hiala ny entona , avela hiketrika 10 minitra amin'ny afo malefaka indray 
- Maka lapoaly iray dia atao mendimendy ny saosisy dia avy eo afangaro amin'ilay anana ary atambatra avy eo dia aveka hiketrika miaraka 10 minitra.
- Aza adino manala ny tongolo gasy rehefa handroso azy fa sao voatsako.
Hohanina amin'ny mofo izy ireo eto fa mety foana na atao laokan'ny vary aza

Mazotoa o 
Nahandron'i Tiana Parlato

 

Catégorie: