Saosisy sy romanesco

947

SAKAFO MAHALEO TENA : SAOSISY SY “ROMANESCO”

Koa satria moa ny foton- tsakafon'ny  italiana dia paty ary ny an' ny Malagasy vary noho izany dia mizara roa ny sakafo.
- Paty sy sosisy ary romanesco
- Vary sy laoka sosisy sy romanesco
 

ZAVATRA ILAINA

- romanesco madio sy votetika
- Sosisy miala hodiny
- Tongolo gasy voatetika
- Menaka oliva
- Paty masaka
- Vary masaka

FIKARAKARANA AZY

Atao anaty lapoaly ny menaka, tongolo gasy avela haka tsiro kely dia arotsaka ny saosisy rehefa mahazo loko kely dia arotsaka ny romanesco, saromana tsara dia atao afo malefaka mba tsy ho may sy ho masaka tsara.
Rehefa vita masaka sy ritra tsara dia atao laoka ho antsika Malagasy ary afangaro amin’ny paty masaka “al dente “fa tsy boledaka kosa ho an' ny Italianina.
Rehefa aroso dia rarahana vovontsakay na fromazy voakiky raha tiana. 

Fanamarihana
 ny romanesco dia azo soloina izay misy toy ny  broccoli , choufleur, broccoli maintso, champignon, courgette, aubergine, poivron. Mitovy ihany ny fikarakarana azy
Ka na tsy asiana sosisy aza dia tsara foana

Mazotoa homana ary ooo

Nahandron’i Tiana Parlato 

Catégorie: