Scarole

907

LAOKA VEGETARIEN : SCAROLE (recette napolitain)
 

ZAVATRA ILAINA

scarole : karazana salady
tongolo gasy
pignon de pin*
capperi*
voaloboka maina
oliva mainty (esorina ny voany)

 

FIKARAKARANA AZY

Endasina ny tongolo gasy kely ary oliva mainty, 
sasana ny scarole ary kiraina sy tapahana amin’ny tanana dia arotsaka ao koa, tsy atao masaka be .
Rehefa mitambatra tsara dia arotsaka ny “capperi “sy “pignon de pin” ary ny voaloboka maina,
rehefa afaka 5 minitra dia esorina ambony afo.
Azo hohanina amin'ny hena, na trondro, na atao amin'ny pizza, na hohanina amin'ny vary. 

Fanamarihana:
*azo ovaina araka izay misy eo antoerana; ohatra ny "pignon de pin" soloina voanjo, "capperi "azo tsy asiana fa tsara foana)
Misy ny manisy alici* (karazana trondro kely toy ny sardine) ka tonga dia endasina miaraka amin'ny tongolo gasy dia tohizana ny recette

Mazotoa o 

 

Catégorie: