Sesika

838

SESIKA 
(ho an olona 12 na 15 - Gisa vavy no tena tsara)

ZAVATRA ILAINA 

A) Alaina ny ra-any :
Raha toa ka mahazo ra-any 1/2litre dia mila :
kobam-bary 1kg
lafarina 200g
atin-gisa mifahy 150g tsy voatery (foie gras cru -faculattif)
tavin-kisoa (lard) 500g
panne 500g(ilay tavin kena-kisoa tonga dia hain ny mpivarokena)
dipoavatra maitso (poivre vert)
tongolo gasy, sakamalaho,tongolo maitso
atin - gisa (ilay novonoina ihany)
Petsay be 1
"papier film"

Fikarakarana azy :
- Afanaina ny rano hangotraka, dia alatsaka ao vetivety ny ravina petsay (tsy atao masaka fa tazonina ho maintso tsara ny lokony),
esorina ary avela hitsika tsara (tsy ariana ilay rano fa avela ho matimaty eo)

-Tetehana ny lard atao efamira maromaro (en dé), toy izany koa ilay panne (somary esorina ilay otran'ny fibre aminy iny).

- Atao ilay paty : afangaro ny lafarina, kobam - bary, rà, atiny, dipoavatra maitso, tongolo maitso ampiana ilay rano matimaty mba hahazo rihatra tsy dia boledaka fa azo volavolaina.Vita izay, asiana sira kely.
- Velarina ilay "papier film" (atao amin'ny toerana malalaka), atao eo amboniny eo ilay petsay tery ambony
- asiana amin' ilay paty (raha toa ka naka foie gras ianao dia asio foie gras ihany koa) atao lavalava eo ambonin' ilay petsay ny paty ka fonosina amin' iny. Ahorona toy ny tsihy miaraka amin'lay "papier film" dia hidina ary fatorana (jereo ny sary ao amin'ny fiandohan'ny commentaire).

- Rehefa vita izay, dia makà karaoty1 na 2 miampy ny ambina lard kely sy panne kely endasina anaty vilany lehibe, asiana rano dia alefa ao ireo paty vita tanaty papier film. Andrahoina toy ny mahandro vary(45minitra eo)
- Rehefa masaka izy, dia lasa mafy toy ny saosisy fa tsy miparitaka

B) Eo amin ilay gisa mila :
tratran-kisoa (poitrine de porc) 1/2kg
sakamalaho

Fikarakarana azy :

- Tetehana arak' izay hitiavanao azy.
- Endasina kely ilay tratran-kisoa, dia asiana sakamalaho
- Rehefa mendy, dia alefa ny gisa
- Andrahoina amin' izay haleminy tianao ary fotoana mety.

Mazotoa homana

Nahandron'i Onimalala R'Anja 

Catégorie: