Soflera anaty lafaoro

Portrait de Angie
1155

GRATIN DE CHOUX FLEURS A LA TRUFFE: SOFLERA ANATY LAFAORO

ZAVATRA ILAINA:

soflera (choux fleur )
Fromazy voakiky 150gr
tongolo gasy
mortadelle 
nofon-trondro
sira
menaka
Béchamel

Ho an’ny Béchamel :

Ronono 1/2 l
Lafarina 60 g 
Dibera 40g
Sira sy dipoavatra
Muscade voakiky
1 tsongo
Andrahoina kely ny choux fleur Efa namboarina. Somary endasina amin'ny beurre na menaka kely asina tongolo gasy sy mortadelle aryy nofotrondro sira. Mamboatra béchamel de atambatra. Ahah anaty lafaoro. Asina fromage râpé eo ambony. Mazoto e

FIKARAKARANA AZY:

Manao béchamel : miara arotsaka anaty vilany jobo avokoa ireo zavatra ilaina dia atao ambony afo malefaka, arohina tsy miato mandrapaharidritra azy dia vonona ny béchamel.
Andrahoina masakevoka ny soflera efa voatetita, 
Somary endasina amin'ny dibera na menaka kely dia asiana tongolo gasy mortadelle ary nofotrondroary farany ny sira.
Afangaro ny antsasaky ny béchamel sy ny soflera  efa nopotehina 
Arotsaka anaty lasitra mandeha lafaoro
Saromana ilay ambin’ny béchamel
Rarahana fromazy voakiky

Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 200° C mandritry ny 30 minitra

Mazotoa o 

Nahandron'i ‎Eliane Raherimalala‎ 06/06/18

Ingrédients: 
Catégorie: