Soron-kisoa sy saosisy

987

LAOKA : SORON-KISOA SY SAOSISY

Tsy asiana fatrany fa arakaraky ny mpihinana...

ZAVATRA ILAINA:

Soron-kisoa
Saosisy
tongolo gasy,
tongolo be,
thym,
voatabia,
dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:

- esorina ny voam-boatabia dia mixer-na miaraka ny tongolo be sy voatabia voatetika, asiana rano kely
- atao anaty vilany ny sorony sy ny saosisy, alefa ao ilay voatabia sy tongolo lasa ranony, arotsaka avy hatrany koa ny tongolo gasy nopotserina (ecrasé), ny thym , ny dipoavatra ary ny sira arak'izay tiana, ampiana rano kely tokony mahamasaka azy
- tenehina elaela, ny anay moa afo kitay ka eo amin'ny adiny 2 eo
- haroharoina kely isaky ny mijery azy hoe sao ritra, na somary ketsaketsa misy saosiny. Afaka atao malemy be amin'ilay lany hatramin'ny taolany koa raha tiana fa teto izy natao amin'ilay tsy potika...

Ampiarahana amin'ny vary gasy manimanitra sy lasary izay tiana. Concombre  teto. Afaka manao ron-dravimbomanga kely koa...

Mazotoa homana

Nahandron'i Minosoa Raoniarimanga

 

Catégorie: