Struffoli napolitano

849

STRUFFOLI :
specialité napolitain , Toy ny mofo baolina kely feno tantely sy haingony kely izy ity, na koa azo atao hoe macaron napolitain

ZAVATRA ILAINA :
Paty :
Lafarinina 400g, atody 3, rhum na anice (karazana rhum io) 1 sotro, hoditra voasary makirana sy voasary voakiky, sira 1 tsongo , dibera 40g
Fangaro:
siramamy sy tantely mitovy fatra , rano kely , perla na confit hodimboasary atao haingony

FIKARAKARANA :
Toy ny manao pizza ihany
- Atambatra avokoa ireo zavatra ilaina ka rehefa mitambatra dia atao boribory dia avela hipetrakafara fahakeliny 1ora.
- Aorian'izay fisahana dia atao lavalava ohatry ny fanondro vao tapatapahana.
- Endasina amin'ny menaka mandifotra azy, tsifina tsara
Fangaro :
- Atao ambony afo malefaka ny vilany misy siramamy sy tantely mitovy fatra tapohana rano kely mba hitsonika ho lasa fotsofotsy ny lokony 
- Afangaro tsara amin'ilay paty efa voaendy vao ravahana araka izay tiana

FANAMARIHANA : 
Ny ahy zay nisy tato an-trano ihany no nampiasaiko : perla kely miloko isankarazany, fa azonao atao koa hodim- boasary sy voasary makirana andrahoana amin'ny ranon-tsiramamy, avela ho maina vao tetehina madinika dia atao haingony.
- Azo tsy asiana rhum fa soloina ranomboasary kely , na izay zavamanitra tiana atao toy ny lavanila 
Mazotoa o 
nahandron'i namana Tiana Parlato

Catégorie: