By Andry Rakotomavo
Sucettes glacées aux fruits
SUCETTES GLACEES AUX FRUITS
ZAVATRA ILAINA :
mahavita 6 lehibe dia 6 kely
frezy 500g
papay 500g
manga 500g
"jus de grenadelle 125cl "
(tsy nampiasa siramamy intsony aho)
FIKARAKARANA :
- Totoina tsirairay ny voankazo dia alahatra anaty boaty (mety daholo izay andaharana azy fa raha hanome toy io endrika amin'ny sary io dia : ny manga aloha no alefa mialoha manaraka ny papay farany ny frezy dia andrarahana ilay "jus de grenadelle" avy eo)
- Ampidirina "congélateur" 3 ora dia vita
- andrasana hivaingana kely vao tsatohana ilay tahony
Fanamarihana :
1) ilay vera nampiasaiko io novidiako teny amin'ny kojakoja 500
2) eny amin'ny pavillon Analakely no misy ilay tahony 500 ariary ny 100 isa
3) Azo soloina izay voankazo misy fa tsy voatery ho ireo ihany a, mirary soa hatrany!
Nahandron'i Aina Rakotoarisoa
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire