Taboulé oriental

753

SAKAFO FENO : TABOULÉ ORIENTAL

mora atao sady sakafo "végétarien"

ZAVATRA ILAINA:

- 300g semoule de blé, graines fines
- Sakay be maro loko na "oivron,rouge,vert, jaune" ( izay misy)
- voaloboka maina 
- votabia masaka tsara sady be ranony
- voasary makirana 
- menaka oliva
- sira
- dipoavatra
- tongolo be, ilay "échalotte" raha misy 

FIKARAKARANA AZY:

1) lomana rano mafana ny voaloboka maina mba hibotsina
2) atao anaty bol ny "semoule" dia tondrahana rano mafana 1 vera dia afangaro tsara mba hibontsina ary saromana takotra
3) voasana ny voatabia dia  tetehina madinika ary tsy arina ny ranony
4) sasana tsara ny legioma rehetra dia  tetehina madinika
5) asiana voasary makirana, menaka oliva, sira ary dipoavatra
6) afangaro daholo ny rehetra ary  atao anaty vata fampangatsiahana dia aroso mangatsiaka tsara

NB: Hoy i Malala Rondro Raharimanga Ny ahy tsy asiana rano fa ny ranona voatabia sy menaka na cocombre "rapé" ihany koa dia ampy hampamasaka ny "semoule" fa kosa avela hilona tapak'andro na ny andro mialoha aza, tsy dia malemy loatra izy tsy misy rano sady azo tehirizina andro vitsivitsy. Azo asiana kotomila ihany koa.

Mazoto daholo
Am- pitiavana

Nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: