Tajine de poulet

921

SAKAFO MAHALEO TENA : TADJINE / TAJINE DE POULET - (Couscos au poulet )

azo atao "agneau" koa izy ity. Nahandro mamy masira

ZAVATRA ILAINA :

1) akoho gasy (poulet fermier) no tena tsara
karaoty, navet, ovy, poireaux, voatavo
pois chiche
tongolo gasy, tongolo
voatabia miala hodiny sy voany (tomates concassées) 
Hanitra (ras el hanout, safran)
menak'oliva kely, sira
voankazo nohamainina (fruits secs) : paiso eto (abricots secs)
fa azo atao "datte" na voaloboka maina
mahabibo (noix de cajou) eto (mety koa amande)

2) samoly (semoule de blé) 
menak'oliva 2 sotro fihinana
rano 200 ml
sira 1 tsongo

FIKARAKARANA AZY :

Ho an'ny akoho :
- Endasina anaty vilany misy menak'oliva kely ny akoho gasy voatetika. Rehefa mahazo loko, dia arotsaka ny tongolo, tongolo gasy. Aroina. Avy eo, ny voatabia voatetika vaventy, ny ras el hanout sy safran ary rano.
- Arotsaka ny legioma rehetra sy ny voankazo nohamainina sy mahabibo ary andrahoina amin'ny afo malefaka mandritry ny 40 minitra. Tsy adinoina ny sira.

Ho an'ny samoly (semoule) :
- Ampangotrahana ny rano 200ml, asiana sira kely sy menak'oliva 2 sotro fihinanana
- Atao anaty sopiera ny semoly ary rarahana ilay rano nampangotrahana teo, aparasaka amin'ny sotro rovitra (na tanana no tena tsara), saronana dia avela hiotrika kely. Vita.

Aroso anaty plat roa samihafa, ny ahy eto ny laoka nataoko anaty "plat tadjine".

Am - pitiavana foana, mazotoa o !

nahandro sy sarin'i Niry Rafi

Catégorie: