By Andry Rakotomavo
Tarte au citron
TARTE AU CITRON
noforonin'i Tatie nix ho an' fianakaviana maro anaka.
Zavatra ilaina:
lafarina 250gr, dibera 125gr, siramamy 5 sotro lehibe, atody 1 , maizena 4 sotro lehibe, hopla 250 ml, siramamy 3 sotro hafa ankoatra lay 5 sotro, voasary makirana 2 lehibe
Fikarakarana:
manao ilay pate à tarte: atambatra ny lafarina sy ny dibera dia potehina amin'ny tanana ohatran'ny biscuit mihintsy, asina atody1 avy eo ary rehefa mitambatra tsara dia avela mipetraka kely 15 mn, afaka asiana ronono kely raha hita hoe maina be .
Rehefa vita ny 15 mn dia fisahana hanify ary apetraka eo amin'ny lasitra fanaovana tarte na pizza .
Andrahoina amin'ny afo malefaka ny maizena sy ny hopla ary ilay siramamy 3 sotro ambiny ary aroina foana, alefa ny ranon'ilay voasar makirana 2 lehibe avy eo. Aroina tsy akiato mba tsy hitabaingana rehefa manome rihatra dia alefa ao amin'ilay pate na tarte
FAHANDRO AZY:
Efa nafanaina mialoha hatrany ny lafaoro na gasy na vazaha tokony 10 min eo
- Lafaoro gasy : 20 min eo : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony .
Lafaoro vazaha : 180°C mandritry ny 25minitra
Mazotoa indray o
nahandron'i Tatie Nix
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire