Tarte aux ananas

976

TARTE AUX ANANAS 

ZAVATRA ILAINA :

Mananasy, ilay tao anaty boaty no nampiasaiko.
1 pâte sablée efa vonona
30 cl crème liquide
10 cl ronono
2 atody
75 g siramamy

FIKARAKARANA AZY 

Apetraka eo amin'ny lasitra ny paty, somary tsindrotsindronina amin'ny sotro rovitra mba tsy hibontsina rehefa tafiditra ao anaty lafaoro. 
 Alaina ny vilia jobo ary arotsaka ao ny atody sy ny ronono sy ny "crème liquide" ary ny siramamy. Kapohina miaraka ireo. 
Afanaina ho th 200° ny lafaoro.
Apetraka eo anatin'ilay paty ny mananasy ary arakaka moramora ao ilay fangaro nomanina etsy ambony. 
Ampidirina ao anaty lafaoro efa mafana tsara ary andrahoina mandritra ny 25 -30 minitra.

Fanamarihana azo atao ny manao pate brisée vita an-trano 

Mazotoa o 
Nahandron'i Ny Riana