Tartelettes tomates mozzarella

759

TARTELETTES TOMATES MOZZARRELLA"
 
ZAVATRA ILAINA

pâte feuilletée  (efa vonona)
voatabia “cérises” ilay madinika raha misy 
tongolo “échalottes”
basilika sy thym kely
moutarde 
menaka oliva
sira, dipoavatra
mozzarella 

FIKARAKARANA:

- velarina ny paty dia tapahana boribory amin'ny "emporte pièce" 10cm: lehibe kokoa noho ny lavaka, apetraka ambony lasitra ary tsindronina tsirairay amin'ny "fourchette".
- raha ilay mozzarella kely dia zaraina 2 fotsiny fa raha ilay lehibe dia tetehina madinika.
- Tetehina ny voatabia rehefa voasasa madio.
- Tetehana manify ny tongolo  
- androtsahana “moutarde” 1 sotrokely isan-davaka misy ny “pate feuilleté” dia lalorina tsara
- alahatra mielanelana ny voatabia sy ny mozzarella ary ilay tongolo, asiana sira , dipoavatra ary basilika sy thym 
- tondrahana menaka oliva kely isaky ny  "tartelette". 

FAHANDRO AZY: efa nafanaina mialoha hatrany ny lafaoro na gasy na vazaha
- Lafaoro gasy : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- Lafaoro vazaha : Atsofoka anaty lafaoro 200°C mandritry ny 15 minitra. 

NB: raha tsy misy mozzarella dia azo atao tartelette fromazy na jambon na koa zavatra hafa efa massa rehetra: trondro na akoho na hena izay tiana, mety koa ny legioma efa masaka
mazotoa o 

Nahandron'i Lova Petit Rama – Graine de faim kely 

 

Catégorie: