Tartiflette

652

SAKAFO MAHALEO TENA : TARTIFLETTE 
Fihinana rehefa ririnina izy ity.

zavatra ilaina :

ho an'olona 4 :
ovy 1kg
lardons fumés 200g
tongolo vitsivitsy
"fromazy voatokana ho an'ny tartiflette" (reblochon,...) ***
tongolo gasy
sira (afaka tsy asiana satria efa samy masira ny lardons sy ny fromazy)
dipoavatra
dibera kely na menaka
crème fraîche 200ml eo

*** Raha tsy mahita "reblochon" dia misy hoe "fromage spécial tartiflette" mitovitovy amin'ny "camembert" izy io

Fikarakarana azy :

- Andrahoina aman-kodiny ny ovy.Voasana dia tetehana boribory manify
- Tetehana madinika ny tongolo.
- Alaina ny hasina tongolo gasy iray dia hosorana an'iny ny "plat" izay asianao ny ovy hanome hanitra ny nahandro.
- Endandasina amin'ny dibera na menaka ny antsasaky ny "lardons" sy ny antsasaky ny tongolo, dia arotsaka ao ny antsasaky ny ovy efa voatetika, asiana sira sy dipoavatra, atao izay ampifangaro ny rehetra dia esorina ary araraka ao anatin'ilay "plat" teo.
- Dia atao toy izay koa ny antsasaky ny tongolo, "lardons" ary ovy farany.

- Rehefa izay, dia afanaina ny lafaoro 180°C.
- Rahahahana "crème fraîche" eo an-tampon'ilay ovy efa anaty "plat" teo, tetehana manify ilay "fromage à tartiflette" (zaraina 3 na 4) dia rakofana iny ny tapon'ilay ovy teo.

- Ahandroina anaty lafaoro 180°C ka rehefa hitanao mahazo loko ilay fromazy ary ridritra ilay "crème fraîche" dia vita izy izay. 45minitra eo na mihoatra.

Fanamarihana : 
- ny "lardons fumés" dia efa be sira, ka tandremo ny fanampiana sira eo am-panendasana ny fangaro rehetra.
- Azo atao ny manala ny siran'ny "lardons fumés" : ampangotrahana anaty rano dia ariana iny rano iny dia afaka siraina amin'ny fahaizanao azy ny rehetra avy eo.

Andro ririnina no fihinana azy ary ampiarahana amin'ny salade.
Divay mena no fanaoko miaraka aminy.

Recette tena izy io nomeko io fa avy eo ny tsirairay indray no manova azy araky ny fahafahana.

Araho an-tsary eo amin'ny "commentaire" ny fikararakarana.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: