Tempura vonina kôrizety sy sakaibe

885

TSAKITSAKY : TEMPURA VONINA KORIZETY SY SAKAIBE -  Tempura de poivron et fleurs de courgette

Tempura dia tsy inona fa fomba fikarakarana "beignet" ihany. An-dry zareo Japoney.
Azo atao tempura ny kôrizety, poivron, patsabe, baranjely, voninkazom-boatavo sy ny an'ny kôrizety.
Ny itiavako azy? Maivana be ny feta, ny legioma toa nofonosina taratasy manify kely. Noho ilay feta tsy apetraka, atao vonona aloha daholo ny akora sy ny fitaovana. Sakaibe sy vonina kôrizety no nataoko tempura teto.
Nalona rano ny vonina-kôrizety hamonoana sy hampitsingevana ny vitsika. Sikorina kely amin'ny sotrokely izay tavela. Mba tsy iazonan'ny vonin-kôrizety rano be loatra dia nalahatro natsangana tanaty koveta kely ry zareo. Sasaina, alàna voa ny sakaibe ary tetehina lavalava.
Ny nahandro eto ambany dia fatra tanaty boky. Io no narahiko nanaovana ny feta fa ny azy patsabe kôrizety ary sakaibe no nataony.

ZAVATRA ILAINA 

patsabe lehibe 20 isa;
Kobam-barimbazaha hamonosana;
kobam-barimbazaha 215g (farine à tempura no tena izy, maivana be ny feta aminy);
rano mamanala 445 ml; (azo soloina "eau gazeuse" na labiera)
tamenak'atody 2;
Menaka anendasana;
Sakaibe lehibe iray (3 raha "poivron"kelikely )

FIKARAKARANA AZY:

Tetehina lavalava; kôrizety lehibe iray- tetehina lavalava sy fisapisaka ; saosy sôza (japonezy no tokony ho izy, malefaka ary latsadatsaka kokoa ny sirany).
Araraka anaty lovia ny kobam-barimbazaha hamonosana (3 sotro fihinanana ohatra). Asoka moramora ao ny legioma. Akifikifika mba hiitsankitsana ny kobam-barimbazaha mivangongo loatra.
Anaty tsatokaty iray, afangaro moramora ny kobam-barimbazaha 215g, ny rano sy ny tamenak'atody. Tsy apetraka fa tonga dia ampiasaina. Tokony mbola hisy tambaingana (grumeaux) aza ny feta.
Afanaina anaty wok na vilany saba ny menaka misimisy. Tsy atao ho mahamay be na hanetroka akory.
Arotsaka maromaro anaty feta ny legioma. Endasina vetivety anaty menaka. Tsy mandeha tsirairay fa misimisy arakaraky ny haben'ny legioma. (vonina kôrizety: 5-6 isa no fanaoko tanaty wok).
Rehefa mahazo lokom-bolamena, esorina dia alana menaka amin'ny "papier absorbant" na "emballage". Alefa tsikelikely torak'izay ny rehetra tokony endasina.
Aroso eo no eo miaraka amin'ny saosy sôza.

Mazotoa homana Tompoko!

Nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba

Sary: Antonella Dilorenzo 

 

Catégorie: