Tilapia

562

TILAPIA 

Zavatra ilaina:

trondro,
"marinade" : tongolo vaventy 1, poireau 1, poivron 1, tongolo gasy, ravina basilic, poivre noire, menaka 1 verre, sira 2 sotro, moutarde 1 sotro

Fikarakarana:

tetehina vaventy ny tongolo, poireau, poivron dia atao anaty lapoaly zara fa misy menaka miaraka amin'ny tongolo gasy. raha efa izay dia totoina (mixeur) miaraka amin'ny sira, ravina basilic, menaka, moutarde ary poivre.
Diovina ny trondro dia asiana dian'antsy maromaro ny lafiny roa, lalorina ilay "marinade" avy eo ny atiny sy ny ivelany, (hatrany amin'ny lohany, kibony,...)
Avela hilona 2 ora farafahakeliny fa ny ahy io nolomako indray alina.
Afanaina amin'ny hafanana 200° ny lafaoro dia ampidirina ao ny trondro mandritra ny 15 - 20mn tondrahina amin'ny saosin'ny matetika mba tsy ho maina.

Fitehirizana ilay ambina "marinade":
Atao anaty boite fanaovana glaçon dia ampidirina congelateur; azo ampiasaina amin'ny hena ihany koa.

Ampifaliana foana e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: