Tilapia sy legioma

719

TILAPIA VOASESIKA SY LEGIOMA - TILAPIA FARCIS AU LÉGUMES

Zavatra ilaina : 
Tilapia izay sahaza dia somary lehibe 
Totokena kisoa 
Tongolo gasy voakiky 
Sakamalao voakiky 
Sira 
Dipoavatra 
Menaka 
Saosy soja kely 
Persily voatetika 
ravina "laurier" fa azo atao izay hanitra izay tiana 
Saosety 
Karoty 
Korzety

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voadio tsara sy voakaraka ny ny trondro dia asiana dian'antsy kely 
2. Maka bol kely dia atao ao ny tongolo gasy sy sakamalao voakiky. Ny sira ny saosy soja, menaka kely dia afangaro tsara. 
3. Maka lasitrana vilia miditra anaty lafaoro dia Hosorana io saosy vita fangaro io ny trondro. Ny atiny sy ivelany. Dia avela hilona ela ela ny ahy io alina iray manontolo anaty vata fampangatsiahana 
4. Maka bol hafa dia afangaro ny totokena ny persily ny ravina "laurier". Afangaro tsara. 
5. Alohan ' ny hanendasana sy hanatsofoana ny trondro anaty lafaoro dia sesefana ilay sesika totokena efa voakaraka teo 
6. Rehefa voadio sy voakaraka ny légumes dia somary endasina kely miaraka amin ny tongolo gasy sy sakamalao voakiky kely dia asiana curry sy dipoavatra kely. Tsy atao masaka be. Atao amin ny afo mahery dia somary haroina. 5 minitra dia vita. 
7. Endasina ny trondro efa voasesika rehefa doré ny andaniny sy ankilany dia vita. 
8. Atao anaty ilay plat miditra anaty lafaoro ny légumes dia apetraka eo amboniny ny trondro, araraka ao ilay sauce avy nandomana ny trondro dia ampidirina anaty lafaoro 150 °C 30 minutes. 
9. Aroso miaraka amin' ny vary sy lasary 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé 

 

Catégorie: