Tiramisù

669

TSINDRIN - TSAKAFO : TIRAMISU - 

Ho an'olona 4 ity fa ny ahy amin'ny sary io nataoko avo roa heny ny fatra

ZAVATRA ILAINA :
Atody 3
Siramamy 50g
"Mascarpone" 250 g
"cacao" (nataoko Banania ny ahy ) 
biscuit boudoir 1 fonosana
ranon-kafe 1vera

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro sy kapohana ny tamavony sy ny siramamy
- Arotsaka ao ny "mascarpone" dia afangaro tsara indray
- Kapohana hisavovona ny tapotsiny dia afangaro moramora amin'ny tetsy aloha
- Alaina tsirairay ny "biscuit" antsasaky ny fonosana, asoka vetitevy anaty ranon-kafe dia alahatra amin'ny fanambanin'ny "plat"
- Rakofana ny antsasaky ny lakirema tetsy aloha avy eo
- Alahatra eo amboniny indray ny "biscuit" efa nolemana tanaty ranon-kafe
- rakofana ny ambin'ny lakirema rehetra.
- Atsofoka anaty vata fampangatsiahana 4ora farafahakeliny, mandritry ny alina no tena tsara.

- Alohan'ny handrosoana azy dia fafazana "cacao" ny tapony.

Mazotoa o !

nahandron'i Tahiry Tanteliniaina Rakotomalala

Catégorie: