Tiramisù à l'ananas

810

TSINDRIN-TSAKAFO : TIRAMISU A L‘ANANAS (dessert)

Zavatra ilaina (tsy misy atody )
mananasy  1
siramamy izay tiana
mascapone 250g
boudoirs izay ampy

Fikarakarana azy:

Sasana tsara ny mananasy dia voasana ary tetehana dia esorina ilay taolana ao afovoany
hanesorana kely atao haingony raha tiana, ny ambiny kosa dia totoina ao anaty “mixeur” ho lasa “jus “ matevina, hanalana kely ity dia atokana
maka  bol dia atao ao ny mascarpone sy siramamy ary dia haroina koa mba hifandray tsara.
Afangaro amin’ilay ranona mananasy voatoto atao tsikelikely mandrapahazo ny rihatra tiana ka manome ny lakirema.
Maka vilia dia  asiana lakirema aloha ao ambany indrindra
Alaina kosa ny “biscuit boudoir” dia atsoboka ao anatin’ilay jus natokana aloha vao alahatra ao anaty vilia, ka rehefa feno daholo ny  ambany dia asiana lakirema indray dia alefa indray ny “boudoirs” manaraka, dia toy izay hatrany mandrapahalany azy ireo
Farany azo haingoana amin’izay hitiavana azy, eto dia nasiana “corn flakes” teo ambony
Ampidirina anaty vata fampangatsiahana ora 2 fara fahakeliny vao aroso.

Fanamarihana:
azo asiana :
- mananasy vaotetika majinika ao anatiny raha tiana
- rhum kely ao anatin'ilay ranomboankazo manome tsiro hafa mihitsy 
- Azo asiana atody, zaraina ny tamenany miaraka aminìny siramamy sy mascarpone, ny tapotsiny kosa kapohana hiakatra ho lasa fotsy dia atambatra avy eo ny rehetra 

Mazotoa
 

Catégorie: