Toton-kena nosesehana

356

HENA VOATOTO NOSESEHANA (Polpettone )

Zavatra ilaina:

500g hena vototo, karoty 1, atody 1 na 2, poti-mofo, kikina fromazy, "charcuterie : jambom cuit na mortadelle" didiny 2 oliva 3 na 4 hanitra izay tiana.

Fikarakarana azy :

- hena vototo (atao mifandanja ny hena omby sy hena kisoa, ary raha asiana sosisy 1 aza, vao maika tsara). 
- asiana atody 1 lehibe (ataovy 2 raha kely) kikina fromazy ( "parmesan" raha misy ), potimofo izay ampy (eo amin'ny 5 sotro eo ho eo), persily voatetika, tongolobe voatetika madinika na nokikisana, sira, dipoavatra, "noix de muscade" ?Afangaro tsara dia fisahana ho mahitsizoro .Raha misy "mortadelle na jambon" dia afaka hamonosana ny karoty sy ny fromazy ,asiana oliva koa raha misy ary hidina ,ahorona (ao afovoany izany ny sesika) , ny "charcuterie" mitazona ny fromazy mba tsy hivoaka manko.
- Fonosina "papier sulfurisé" raha misy, avy eo dia asiana "papier aluminium" na lamba (torchon) madio. 
- andrahoana masakevoka (en vapeur), afaka alefa laforo koa raha tiana izany ,saronana ary avadika rehefa avy mangotraka 15mn , Fepotoana lany amin'ny fahandroana : 30 minitra

Avelao hangatsiaka vao tapahana ,afaka tehirizina 2 andro io raha olona vitsy no ao an-trano ao.

Mazotoa o 

de Dolly Andrianarimanga 

 

Catégorie: