Trondro atono

206

POISSON GRILLE 

Zavatra ilaina (anaovana sauce)
- Tongolo gasy
- Sira
- Poivre
- 2 càs Moutarde de dijon
- 2 càs vinaigre
- 2 càs menaka
- 1 càs sauce soja
- 1càs tantely (mety solona siramamy)
- 1 càs ketchup
- Sakamalao kely totona na rapena

Fikarakarana :

Totona ny tongolo gasy sy sira
Maka bol dia arotsaka ao ny tongolo gasy voatoto sy ireo hita etsy ambony. Afangaro tsara @ sotro
Alaina @zay ny trondro (andranomasina) efa voadio,didina 3 ny lafiny 2 tsy atao lalina be, Hosorana ilay sauce efa vita, tsy adino ny manosotra ilay saosy ao anaty ny kibon’ilay trondro. Avela ilona 1h eo.
Maka ravin’akondro dia alaina ny taolany eo ampovony dia tapahana 4 na 5.
Apetraka ambony afo ny grille avy eo atao eo ambony grille ilay taolan’ny ravina akondro. Mampiasa an’io fona za rehefa manao grillade mba tsy ipetapetaka @ grille ny nofo trondro tsy hiendaka.
Ampetraka eo amboniny amin'izay ny trondro, dia avadika rehefa hita fa masaka.
Rehefa masaka dia atao anaty vilia , aza adino ny citron fiahana eo amboniny trondro rehefa ihinana azy. Atao tsakitsaky na laoka ,
mpiarahina @ crudité dia ao tsara.

Mazotoa daholy

de Tinie Said

Catégorie: