Trondro endasina

549

TRONDRO ENDASINA

ZAVATRA ILAINA:

- trondro antanimbary
- lafarina 
- menaka fanendasana
-sira

FIKARAKARANA:

- Sasana ny trondro esorina ny tsinainy sy kirany dia hamainina tsara hiala ny rano
- Afanaina atao mafana ny menaka mandifotra azy, tsy atao afo be loatra, raha tsy manana fijerena maripana sakafo dia azo alaina ny sotrobe hazo ary ampidirina ao anaty menaka raha misy "boule" manodidina dia mafana izy izay,
- Atao amin'ny vilia ny lafarina ka ampandalovina ao aloha ny trondro 
- Endasina atao tsikelikely mba tsy ho mora misy mandroatra ny menatra ary mba tsy hidina loatra ny hafanana, atao mendy tsara
- Rehefa masaka dia apetraka amin'ny taratasy na "essuit tout" mba hitsika ny menaka 

Matsiro be ity fa lany hatramin'ny taolany 
Mazotoa o 

Nahandron'i Idealy Miotifitia Fara Niaina

 

Catégorie: