Trondro mihaingo

856

" POISSON BELLEVUE" - TRONDRO MIHAINGO 

ZAVATRA ILAINA :

Ovy
trondro lehibe iray , na nofon- trondro (afaka soloina "sardine" na "thon" amin'ny boaty raha tsy misy)
sira
salady
korzety
Persila
Mayonaise (atody sy menaka)

FIKARAKARANA :
- Masahana aman-kodiny ny ovy, dia voasana
- Masahana ny  trondro dia esorina ny nofon-trondro dia potehana, ny lohany kosa atokana hatao haingony avy eo. 
- Andrahoina masaketona na koa ampangotrahana kely anaty raontsika ny korzety voatetika boribory manify tsy atao masaka fa mantamanta dia atokana.
- Etsy andaniny, manao "mayonnaise" amin'ny atody sy menaka raha tsy mampiasa ilay efa vita
- Afangaro ny ovy efa nopotserina, ny nofon-trondro efa nopotehana ary ny mayonnaise, andramana ny sira dia ampiana kely raha tsy ampy.

FANAINGOANA :
- Velarina ambony "plateau" ny ravin-tsalady tsirairay efa voadio
- Alefa eo afovoany ny fangaro tetsy ambony dia omena endrika trondro
- Lalorina "mayonnaise" indray dia alahatra toy ny kiran-trondro ny korzety 
- Haingoina amin'izay tianao (persily kely, didin'atody masaka, na haingo noely tsy fihinana)
Mazotoa homana tompoko !

 Nahandro sy sarin'i Patricia Nicole Rajaonarivelo

Catégorie: