Trondro nasaly sy voanio

689

LAOKA : TRONDRO NASALY na SALIBOKA sy VOANIO 
 

ZAVATRA ILAINA :
trondro nasaly na saliboka izay sahaza
voanio 1
angivy
anamafana na anamalaho
sakamalaho
oignon
voatabia

FIAKARAKARANA

1. kikisana ny voanio dia atao ao anaty ranomafana kely izay zakan'ny tanana dia fihazana dia atokana ilay ranony, averina asiana rano kely mafana zakan'ny tanana indray dia atokana ihany koa
2. alona rano 15 minutes ny trondro
3. maka vilany dia asiana menaka kelyu fotsiny dia endasina ao ny oignon, ny voatabia, ary ny sakamalaho dia afangaro tsara, rehefa mifangaro tsara ireo dia alefa koa ny angivy, asiana rano mandifotra azy ka rehefa hita fa malemy dia alefa ny trondro sy ny ranom-boanio faharoa, avela hitanika mandritra ny 10 minutes, avy eo arotsaka indray ny ranom-boanio voalohany sy ny anamalaho dia avela hiketrika 5 minutes
4. naroso niaraka tamin'ny vary sy lasary concombre ny ahy teto

 

 TRONDRO NASALY
toy izao ny fikarakarana azy raha tsy manana efa vita:
Maka trondro lena dia sasana tsara , esorina ny atiny sy kirany dia vakina fa tsy atao misaraka ilay trondro,  avy eo asiana sira kely, atonotono zany hoe asaly kely amin'ny afo malefaka tsy atao mikasika afo akory
 Rehefa izay dia atao amin'ny toerana mahazo masoandro kely indray aloha ho maimaina izay vao atao anaty garaba na zavatra misarona nefa makarakara mba hahazo rivotra tsara foana. (Ilay misarona eo dia mba ho fiarovana azy)

 

Mazotoa daholo

 
Nahandron'i Floras Rasoambelona

 

Catégorie: