TSA TSIOU

1024

TSAKITSAKY : TSATSIOU na PORC CARAMELISE' 

ZAVATRA ILAINA:

- soron-kisoa 
- tongolo gasy sy sakamalaho voakiky
- saosy soja
- tantely
- siramamy mena 
- menaka, sira sy dipoavatra sy izay hanitra tiana

FIKARAKARANA AZY 

- afangaro ny sakamalao sy tongolo gasy voakiky, saosy soja, tantely, siramamy mena, menaka, sira, dipoavatra
- rehefa mifangaro tsara ireo dia afangaro amin'ny hena ka harohina tsara 
- saromana dia ajanona hilona adin'ny 4 eo ho eo, afangarongaro tsindraindray
- afanaina 220° C ny lafaoro "mode grill" (na tsotra koa tsy maninona) ary atao anaty lasitra dia atono ao 30 minitra 

Mazotoa o 

Catégorie: