Tsakitsaky kabaro

26

TSAKITSAKY : KABARO 

ZAVATRA ILAINA:

kabaro maina 250g,
dipoavatra,
sakay raha tia,
kotomila,
tongolo maintso,
tongolo gasy,
tongolo be,
sakamalaho,
vovoka tamotamo na vaingany.

FIKARAKARANA AZY:

kabaro maina, alona rano 1 alina ary voasana ny ampitso.

Totoina halemy TOY NY "PURÉE" MIHITSY, ampiaraho totoina ao ny sakamalaho sy ny tongolo rehetra ary ilay tamotamo raha vaingany no ampiasainao.

Asiana sira, poavatra, sakay, kotomila sy tongolo maintso voatetika, tamotamo. 

Vita izay dia maka iray sotro toy ny haben'ny baolina baby foot, volavolaina ho boribory mifintina tsara, somary fisahina avy eo ary loahina amin'ny ratsana ny eo afovoany ho lasa lavaka kely.

Hafanaina ny lapoaly ary rehefa mafana dia asiana menaka , arotsaka ao ny kabaro ary endasina mitsikafona amin'ny menaka,

Rehefa miloko mendy ny lafiny 2 dia vita.

Atao mitsihika tsara vao atao anaty lovia misy "essuie-tout" na taratasy hanalana menaka. 

FANAMARIHANA :

raha miparitaka izy ao anaty lapoaly dia satria tsy tsara toto izay

Mazotoa indray ary o 

Nahandro sy sarin'i Bonbon Mamibe 

 

Catégorie: 
Matériels: